Anisan’ny sehatra iray lehibe ao anatin’ny ny asa fanaovan-gazety ny sary hitatra. Hitarafana ny etahetam-bahoaka sy ny fomba fahitany ny toe-javatra iray izay mitranga eo amin’ny firenena izy io. Raha tsiahivina ny tantara dia talohan’ny ady lehibe faharoa no efa nisy ny famoahana ny sary hitatra an-gazety izany hoe tany amin’ny taona 1930 tany ho any . Ity fifanakalozana niaraka tamin’ny mpanao sary hitatra an-gazety iray ity no manoritra ny tontolon’izany asa izany sy ny fomba iainany azy.
William Rasoanaivo na koa hoe Pov no hahafantarana azy eo amin’ ny sehatry ny fanaovan-gazety. Anaram-bositra fahakely fa nentiny anavahana an’ireo asan-tsary novokariny nandrintra ny 21 taona niasany teo amin’ny gazety maromaro.
“Olom-pirenena tsotra, raim-pianakaviana misedra ny fiainana toy ny olontsotra maro ka amin’ny alalan’ny sary no hanantanterahako izany.”
Gazety Ilampy izay niompana tamin’ny tontolo ambanivohitra no nanombohan’I Pov ny asan-tsary an-gazety voalohany tamin’ny taona 1995. “Nanomboka nanao sary an-gazety isan’andro ary matihanina tanteraka aho rehefa niasa tao amin’ny Midi Madagasikara nanomboka ny taona 1997. Nitohy tao amin’ny l’Express deMadagascar moa izany tamin’ny taona 2013 ka hatramin’izao.”
Fitiavana manao sary, zary lasa asa nofinofy
Fony kely i Pov dia efa liana teo amin’ny tontolon’ny sary. Tsy nianatra manokana momba ny haisary anefa izy fa nampiana-tena. Naka tahaka ireo sary anaty boky ary izay hatrany no fomba fianarany mandrak’ankehitriny. “Mampiana-tena amin’ny fandinihana sy fandikàna na fifanakalozana amin’ireo mpanao sary hafa.”
Nampivadiany tamin’ny fitiavana manara-baovao ny fahaizany sary ka nanosika azy hiditra lalindalina kokoa. “Nony nitranga ny irika nahafahako sady nanao sary no nitantara vaovao dia tsy nisalasala aho nirotsaka teo amin’io sehatry ny fanaovana sary an-gazety io.”
Mbola tanora erotrerony i Pov no nisantatra io asa io, mbola nianatra teny amin’ Anjerimanontolo teo amin’ny lalam-piofanana Siansa taona fahatelo ary nanomana ny fanadinana hidirana taona fahaefatra izy tamin’ny taona 1997. Rehefa tojo an’io asa io anefa izy dia tsapany avy hatrany fa toa tanteraka sahady ny nofiny hatrizay ary nisafidy ny hifantoka tanteraka amin’izany, satria io no lalana tiany hizorana.
“Noho izany dia toa somary nofy ny fahitako ny fiainako satria manao ny asa tiako aho fa nipariaka teny amin’ny olona marobe koa anefa ny asa sariko. Somary nirehareha anaty aho hoe nahatanteraka nofinofy.”
Ny elanelana eo amin’ny fanaovana sary sy ny fanaovana sary an-gazety
Raha efa nandiha ny fanaovana sary sy ny fanaovana sary an-gazety i Pov dia nanamarika fa misy mampiavaka azy ireo sehatra asa roa ireo.
Ny mpanao sary amin’ny ankapobeny dia mety hoe mifototra bebe kokoa eo amin’ny lafin’ny kanto, mitantara amin’ny alalan’ny sary na manao lazam-barotra na koa manampy ahazoana lahatsoratra. Ny mpanao sary an-gazety kosa dia mpamakafaka na mpaneho hevitra mahakasika ny vaovao. Tsy mpanao zavakanto izy fa mpanao gazety.
Misy lafiny roa ny fanaovana sary an-gazety, indrindra ny fanehoan-kevitra momba ny fitantaram-baovao. Voalohany, ny fanaraham-baovao sy ny fandalinan-kevitra manodidina ny vaovao. Io no tena mafonja. Faharoa ny fampitàna izany an-tsary izay ilàna fahaizana maneho hevitra an-tsary. Tsy voatery hahay sary be dia afaka manao sary an-gazety. Ilay fahaizana maneho hevitra an-tsary sy ny halalin’ny famakafakan-kevitra no tena zava-dehibe. Noho izany tsy ampy raha fahaizana sary fotsiny ihany no entina hanaovana sary an-gazety.
Raha ny momba ny sary hitatra kosa dia tahaka ny saosy ao anaty nahandro no fahitany Pov azy. Manampy tsiro ny sakafo ary manome ny tena maha izy azy. Ny saosy tokoa manko no maha “bolognaise” na “carbonara” ny spaghetti ohatra.
Manana anjara toerana manokana eo amin’ny mpamaky gazety Malagasy ny sary hitatra satria fomba iray mahery vaika hanehoana ny fiforetana anaty izy. Miroborobo ny sary hitatra rehefa be ny zavatra mahasorena na mahonena nefa mahatsiaro tsy afa- manotra ny tena.
- Mpanao gazety feno ny mpanao sary an-gazety
Mitondra tena ho mpanao gazety ary manana tombony mihoatra an’ireo mpanao gazety an-tsoratra ny mpanao gazety an-tsary, hoy Pov. Ny fahafahany mikasika haingana kokoa ny saina sy ny fon’ny mpamaky dia hery lehibe satria. Haingana lavitra ny mamaky sary noho ny mamaky lahatsoratra. Mahery vaika kokoa ny sary noho ny soratra amin’ny ankapobeny.
Toy ny asa rehetra anefa dia misy ihany ireo zavatra mety manembatsembana ny fanaovana sary an-gazety ary efa iainana izany. Tsy misy araky ny nambarany ny sakana mivantana fa an-kolaka angaha no mety misy .” mety hoe sary tsy avelan’ny tompon’andraikitry ny gazety havoaka na ny mifanohitra amin’izay : sary tereny havoaka nefa tsy voatery hifanaraka amin’ny hevitr’ilay mpanao sary.”
Mbola sarotra ny fanantanterahana ny fahafahana maneho hevitra, eny fa na ho an’ny mpanao sary hitatra ihany koa aza, kanefa tena ilaina indrindra ho an’ny firenena maniry hampanjaka ny tena demokrasia..
Mahakasika ny raharaha “Charlie Hebdo “ izay nitranga tany Frantsa ny volana janoary 2015 ka namonoana mpanao gazety maro dia milaza ho nalahelo tokoa aho hoy Pov. Nofaritany manokana fa “Na tsy mitovy toy inona aza ny hevitra dia ny hevitra no ampiadiana sy ifandresena lahatra fa tsy sanatria ny basy no asedra pensilihazo.”
Ny Malagasy sy ny sary hitatra
Tsy vaovao amin ny Malagasy ny sary hitatra satria efa hatry ny ela raha efa ho valo ambin’ny henim-polo taona lasa izany no nisy io taranja io, . Nitaiza ny mpamaky teny fahizay ny gazety Hehy notarihin’i Celestin Andriamanantena tamin’ny 1955. Maro koa ny olona tsy mahay mamaky teny frantsay na tsy mahay mamaky teny loatra na tsy mahay mamaky teny mihitsy kanefa liam-baovao. Ankoatranny onjam-peo sy fahita lavitra dia manampy hitia gazety tokoa ny sary hitatra. Efa misy gazety malagasy izao mifantoka amin ny sary hitatra fotsiny toy ny Ngah…
Hoan ny ireo gazety any ivelany ohatra dia milalao ny sary sy ny fampihomehezana entina hanesona ireo zavatra mitranga eo anivonny fiarahamonina, miavaka amin izany ny Charlie Hebdo.
Raha ny hevitry I Pov dia tsy voatery hoe hanao sary mamoafady na manevateva akory satria samy manana ny fadiny ny fiarahamonina tsirairay. Saingy ilaina ny fasahiana sy ny fahaizana manaitaitra ny saina lalandava mba tsy handry manana aretina ny fiarahamonina. Ny fifangarony ny fampiomehezana sy ny fanandrotandrohana ny fetran’ny “azo ekena” no manaitaitra ny saina sy ny fanahin’ny olona.
Paikadin’i Pov
Ny manosika an’i Pov andrakitra an-tsary ny tranga iray dia ny fifanoherana miseho eo amin’izay lazaina na lazain’ny mpitondra na lazain’ny vahoaka sy ny zava-misy marina. “Tiako ny mampibaribary ny tranga tsy mandeha arak’izay tokony ho izy mba hampieritreritra ny tompon’andraikitra isanisany.” Ny vaovao ara- politika sy ny ara- tsosialy noho izany no tena ahitany aingam-panahy. “Raha ny marina dia ny politika no tena mahasahana ny gazety mpikirakira vaovao ankapobeny satria ny politika no mandrafitra ny fomba hisedràna ny andavanandro. Lafiny iray ao anatin’ny asa fanaovan-gazety ny sary itatra ary hiresahana bebe kokoa momba ny politika.”IREO DIDY DIMIN’NY MPANAO GAZETY AN-TSARY ARAK’ I Pov • Mila olona tia manaraka vaovao ary afaka mahatakatra ny tsatoka manodidina izany.
• Mila mahay mamakafaka ka mandravona hevitra anaty sary iray.
• Mila mahay sary kely ihany satria ilay sary no fitaovana anehoana izany. (Marihako anefa fa tsy ilàna mahay sary be ny fanaovana sary an-gazety satria fanehoan-kevitra no atao fa tsy zavakanto akory.)
• Mahay ny mpanao sary an-gazety iray rehefa mafonja ny hevitra voizina kanefa mitombina sy rariny.
• Mila mahatsikaiky ilay sary.Njaratiana RAZAFIMANANTSOA
Miora RANDRIANALYLégende photo 1:
Pov, ao amin’ny trano mpamokarana any Malmö, Suède, mandray anjara amin’ny fihaonana sy fampizarana traikefa mifantoka amin’ny tantara an-tsary miaraka amin’ireo mpanao sary hafa (Suédois, Allemand) ny volana mai teo.Légende photo 2:
Tontolon’ny haino aman-jery sy ny Ilontsera