Serge Henri Rodin, Responsable du Laboratoire de recherche en management et médiation culturelle (LABMED),enseignant-chercheur au Département d’Etudes Françaises et Francophones, ancien journaliste, artiste. Ny asa fanaovan-gazety dia mitondra kolontsaina ho an’ireo izay mijery, mamaky na mihaino vaovao. Izany indrindra no antony tsy maintsy itandremana amin’ny famoaham-baovao amin’ny alalan’ireny fitaovana entina miserasera ireny.
Ny Sehatra ikarohana momban ny hetsika everina fa mikolo saina na « Laboratoire de recherche en management et médiation culturelle » (LABMED) ao amin’ny Oniversitean’Antananarivo (Fakioliten’ny Teny aman-Tsoratra sy ny Siantsa maha Olona) dia manao fikarohana mifototra amin’ny kolontsaina. Ao anatin’izay hodidin’ny fandalinana izay indrindra no anehoan’i RODIN Serge, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny LABMED, ny heviny momba ny fikambanana ILONTSERA sy ny asa fanaovan-gazety amin’ny ankapobeny ary ny tokony ho anjara andraikitry ny sehatra tsirairay avy mba hahafanoitra tokoa ho amin’ny fampandrosoana maharitra ny serasera sy ny fampahalalam-baovao.
Lalaina RAKOTONIRINA