Anny ANDRIANAIVONIRINA, 20 taona naha mpanao gazety
“Mila mahay mihaino sy mifandray amin’olona maro ny mpanao gazety”
Anny no tena ahafantaran’ny maro azy na i Anny Maria Rondronavalona Andrianaivonirina. 20 taona izay no naha mpanao gazety ara-panatanjahantena azy tao amin’ny Midi Madagasikara. Nandalo dingana maro izy vao tonga teo amin’io toerana io ary nanamafy hatrany ireo traikefa azony tao anatin’ ny tontolon’ny serasera teto Madagasikara.
Mitana andraikitra maro eo amin’ny tontolon’ny serasera i Anny: talen’ny famoahana ao amin’ny gazety Midi Flash, tomponandraikitra voalohan’ny serasera eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo, mpamolavola tetikasa ary vao haingana izay no niandraiketany manokana ny Ivongazety ka hitarihany ilay tetikasa miompana amin’ny fampiofanana mpianatra mpanao gazety amin’ny alalan’ny aterineto.
Ny soratra sy ny fanatanjahantena
Fony fahakeliny i Anny dia tsy nieritreritra ny ho tonga mpanao gazety saingy rehefa nanao fizarana asa tao amin’ny MIDI Madagasikara ny tenany ny taona 1996 dia nitsiry tao anatiny ny fitiavana an’io asa io. Nanampy azy ny fahaizana norantoviny tao amin’ny “lettres françaises”- Ecole Normale Supérieure (ENS Ampefiloha) ka nampitombo ny fitiavany manoratra.
“Tena namolavola ahy ary mibahana ny fotoanako indrindra ny fanatanjahan-tena “
Nahasarika azy kokoa anefa ny fanaovan-gazety miompana amin’ny fanatanjahantena hany ka tsy nanano sarotra taminy ny fampivadiana ny asa fanaovan-gazety sy ny fanatanjahantena. “Vao mainka aza nanampy ahy satria 40 taona izay no nankafizako fanatanjahantena no sady mpikatroka eo amin’ny taranja judo aho, izay anisan’ny nampazoto ahy teo amin’ny fanantanterahana ny asa,zary efa iainako isanandro izany.”, hoy Anny. Raha ny heviny dia tsara kokoa raha manana ny fahaizana manokana mikasika ny fanatanjantena ny mpanao gazety misehatra amin’izany.
Amin’ny maha mpanao gazety ara-panatanjahantena azy dia tsy mianina amin’ny fitaterana ireo voka-dalao fotsiny izy fa mitondra ihany koa ny fandalinana ary mandroso soso-kevitra manodidina ireo zava-misy amin’ity sehatra ity. “Ianao mihitsy no mandeha mitady sy mitrandraka vaovao fa tsy voatery miandry zavatra hitranga foana. Mila finiavana manokana ny fanaovan-gazety ara- panatanjahantena satria zava-dehibe ny fahaizana mandalina, ny fifandraisana aman’olona, indrindra rehefa tia karokaroka. Raha manana ireo toetra ireo ny mpanao gazety iray dia afaka mikitika sehatra hafa. ”
Tsiahy kely nanamarika
Tena nanamarika azy tamin’ny asany ny fivoahana tany ivelany: Italie, Frantsa, Alemana, Afrika sns ary indrindra ny tany Maroc satria sady nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ny fifanitsanana Judo izy no nanoratra. “Tsy nandresy aho saingy tsy kivy, dingana tsy maintsy lalovana izany, ary namolavola sy nitaiza ahy satria rehefa midoboka amin’ny tany dia tsy maintsy mitsangana.”
Izany filamatra izany no nentiny niatrehana ireo olana izay nanebantsembana azy teo amin’ ny fiainany, na hatramin’ny bitika indrindra aza. “Ny mpanao gazety matetika dia mamonjy an’ireny fivoriana ireny, ny fomba fiakanjoko rehefa nandeha niasa anefa dia fomba fiankanjo amin’ny maha mpanao fanatanjahantena ihany. Izay no nahabedy ahy tao am-piasana ka voatery nandeha nitety tsena nitady akanjo aho. Zatra ihany anefa taty aoriana.”
Sady mpanao gazety no renim-pianakaviana
Olana tena anisan’ny sendraina ny fodiana alina matetika noho ireo asa maro izay sahanina sy ny tsy fananana fotoana firy ho an’ny fiainana manokana . Tsapa ny fahabangana eo amin’ny fitaizana ny ankizy. Kanefa na izany aza dia miezaka ny mandrindra ny fiainany manokana amin’ny maha renim-pianakaviana azy i Anny. Manan-janaka 3 mianadahy izy: Anya, Ann-Yale ary Elouanne. “Tena tiako ny miara-mahandro sakafo sy miara mijery sary miaina amin’ireo zanako rehefa tsy miasa aho. Fanaonay koa ny misintaka kely ny renivohitra. “Ankoatra izay dia tia mamaky boky izy ary raha sendra hanasa azy hisakafo, dia henakisoa sy ravitoto no laoka ankafiziny.
“Manana ny hasiny ny asa fanaovan-gazety”
“Manana ny hasiny amiko ny asa fanaovan-gazety, tokony ho tsapantsika izany na ireo mpanao gazety namana na ireo mpanara-baovao, misy fiantraikany eo amin’ny firenena sy ny fandrosoany izay rehetra lazaina eny amin’ireny haino aman-jery ireny. Amiko dia mila mahay mihaino sy mifandray amin’olona maro ny mpanao gazety satria tsy vita irery ny asa, fa indindra ilaina ny fitiavana eo anivon’ny fiarahamonina”.
Mpanao gazety maro loko
Na ny fianarana norantoviny na ny asa niandraiketany dia ahitana taratra fa maro karazana ireo safidy nataony, mampiavaka azy amin’ireo mpanao gazety ara-panatanjahantena.
Rehefa nahazo ny marim-pahaizana Baccalauréat A2 i Anny Andrianaivonirina, ny taona 1986 dia nisafidy ny hianatra sy handalina manokana ny Literatiora frantsay tao amin’ny Ecole Normale Supérieure, nahazo ny CAPEN na Certificat d’Aptitude Pédagogique de l’Ecole Normale ny taona 1994 ary ny Diplôme d’Etudes Approfondies (DEA), ny taona 2006. Niofana ihany koa mahakasika ny fifandraisana iraisam-pirenena tao amin’ny Centre d’Etudes Diplomatiques et Stratégiques (CEDS MADAGASCAR) ny taona 2004. Rehefa izay dia niditra tao amin’ny Institut National des Sciences Comptables et d’Administration d’Entreprise (INSCAE MADAGASCAR) ny taona 2007, ary tao amin’ny Institut National des Sciences du Sport, de l’Expertise Et de la Performance (INSEP) tany PARIS ny taona 2011. Tsy nionona tamin’izay i Anny ka mbola nanohy ny fianarany hatrany tao amin’ny Sampana Vinanin-Taranja sy Ofana arak’Asa, Fakiolten’ny Teny aman-tSoratra sy ny Siansa maha olona, Oniversiten’Antananarivo ny taona 2013 ka nahazoany ny mari-pahaizana Master2 tamin’ny « Journalisme Economique ». Ankehitriny dia mbola manohy ny fianarana momba ny siansa politika ao amin’ny Institut des Etudes Politiques Madagascar ny tenany.