Anny ANDRIANAIVONIRINA, 20 taona naha mpanao gazety
“Mila mahay mihaino sy mifandray amin’olona maro ny mpanao gazety”
Anny no tena ahafantaran’ny maro azy na i Anny Maria Rondronavalona Andrianaivonirina. 20 taona izay no naha mpanao gazety ara-panatanjahantena azy tao amin’ny Midi Madagasikara. Nandalo dingana maro izy vao tonga teo amin’io toerana io ary nanamafy hatrany ireo traikefa azony tao anatin’ ny tontolon’ny serasera teto Madagasikara.
Mitana andraikitra maro eo amin’ny tontolon’ny serasera i Anny: talen’ny famoahana ao amin’ny gazety Midi Flash, tomponandraikitra voalohan’ny serasera eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo, mpamolavola tetikasa ary vao haingana izay no niandraiketany manokana ny Ivongazety ka hitarihany ilay tetikasa miompana amin’ny fampiofanana mpianatra mpanao gazety amin’ny alalan’ny aterineto. Continue reading